Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 34

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.Select Genesis 34:1

2Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.Select Genesis 34:2

3Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.Select Genesis 34:3

4Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.Select Genesis 34:4

5Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.Select Genesis 34:5

6Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.Select Genesis 34:6

7Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.Select Genesis 34:7

8Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’ i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.Select Genesis 34:8

9Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,Select Genesis 34:9

10Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ ny tompon-tany ianareo.Select Genesis 34:10

11Ary hoy Sekema tamin’ ny rain’ i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;Select Genesis 34:11

12na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.Select Genesis 34:12

13Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny;Select Genesis 34:13

14ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’ izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.Select Genesis 34:14

15Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,Select Genesis 34:15

16dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.Select Genesis 34:16

17Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.Select Genesis 34:17

18Dia sitrak’ i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.Select Genesis 34:18

19Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’ i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’ izay rehetra tao an-tranon’ ny rainy.Select Genesis 34:19

20Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ ny vavahadin’ ny tanànany, dia niteny tamin’ ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:Select Genesis 34:20

21Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.Select Genesis 34:21

22Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.Select Genesis 34:22

23Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.Select Genesis 34:23

24Ary izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany dia nanaiky ny tenin’ i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany.Select Genesis 34:24

25Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.Select Genesis 34:25

26Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin’ ny lelan-tsabatra koa; dia naka an’ i Dina tao an-tranon’ i Sekema izy ka lasa nandeha.Select Genesis 34:26

27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.Select Genesis 34:27

28Ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin’ izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;Select Genesis 34:28

29ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin’ izay rehetra tao an-trano.Select Genesis 34:29

30Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.Select Genesis 34:30

31Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?Select Genesis 34:31

Next: Genesis 35Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.