Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 36

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no taranak’ i Esao (Edoma izany):Select Genesis 36:1

2Esao naka vady tamin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, dia Ada, zanak’ i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona Hivita,Select Genesis 36:2

3ary Basemata, zanakavavin’ Isimaela sady anabavin’ i Nebaiota.Select Genesis 36:3

4Ary Ada niteraka an’ i Elifaza tamin’ i Esao; ary Basemata niteraka an’ i Regoela;Select Genesis 36:4

5ary Oholibama niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak’ i Esao, izay naterany tany amin’ ny tany Kanana.Select Genesis 36:5

6Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.Select Genesis 36:6

7Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.Select Genesis 36:7

8Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).Select Genesis 36:8

9Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra:Select Genesis 36:9

10Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Esao dia izao: Elifaza, zanak’ i Ada, vadin’ i Esao, sy Regoela, zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.Select Genesis 36:10

11Ary ny zanakalahin’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.Select Genesis 36:11

12Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.Select Genesis 36:12

13Ary izao no zanakalahin’ i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin’ i Basemata, vadin’ i Esao.Select Genesis 36:13

14Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona, vadin’ i Esao: niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin’ i Esao izy.Select Genesis 36:14

15Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pirenenySelect Genesis 36:15

16sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin’ i Elifaza tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Ada.Select Genesis 36:16

17Ary izao no zanakalahin’ i Regoela, zanak’ i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Regoela tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.Select Genesis 36:17

18Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, vadin’ i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, vadin’ i Esao.Select Genesis 36:18

19Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.Select Genesis 36:19

20Ary izao no zanakalahin’ i Seïra Horita, izay nonina tany amin’ ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy AnaSelect Genesis 36:20

21sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny taranak’ i Seïra, tany amin’ ny tany Edoma.Select Genesis 36:21

22Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin’ i Lotana.Select Genesis 36:22

23Ary izao no zanakalahin’ i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.Select Genesis 36:23

24Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).Select Genesis 36:24

25Ary izao no zanak’ i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin’ i Ana.Select Genesis 36:25

26Ary izao no zanakalahin’ i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.Select Genesis 36:26

27Ary izao no zanak’ i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.Select Genesis 36:27

28Ary izao no zanak’ i Disana: Oza sy Arana.Select Genesis 36:28

29Ary izao no loham-pirenena tamin’ ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pirenenySelect Genesis 36:29

30sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ ny tany Seïra.Select Genesis 36:30

31Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:Select Genesis 36:31

32Nanjaka tany Edoma Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.Select Genesis 36:32

33Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.Select Genesis 36:33

34Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ ny tanin’ ny Temanita.Select Genesis 36:34

35Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.Select Genesis 36:35

36Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.Select Genesis 36:36

37Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ ny Ony.Select Genesis 36:37

38Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.Select Genesis 36:38

39Ary maty Bala-hanana, zanak’ i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.Select Genesis 36:39

40Ary izao no anaran’ ny loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pirenenySelect Genesis 36:40

41sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pirenenySelect Genesis 36:41

42sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pirenenySelect Genesis 36:42

43sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin’ ny taniny avy. Izany no Esao, rain’ ny Edomita.Select Genesis 36:43

Next: Genesis 37Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.