Genesis 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho.Select Genesis 4:1
2Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.Select Genesis 4:2
3Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah;Select Genesis 4:3
4fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;Select Genesis 4:4
5fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.Select Genesis 4:5
6Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?Select Genesis 4:6
7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.Select Genesis 4:7
8Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy.Select Genesis 4:8
9Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?Select Genesis 4:9
10Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.Select Genesis 4:10
11Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.Select Genesis 4:11
12Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao.Select Genesis 4:12
13Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.Select Genesis 4:13
14Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.Select Genesis 4:14
15Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.Select Genesis 4:15
16Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena.Select Genesis 4:16
17Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka an’ i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ ny zananilahy.Select Genesis 4:17
18Ary Enoka niteraka an’ Irada; ary Irada niteraka an’ i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’ i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’ i Lameka.Select Genesis 4:18
19Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ ny anankiray Ada, ary ny anaran’ ny anankiray Zila.Select Genesis 4:19
20Ary Ada niteraka an’ i Jabala; izy no rain’ ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ ondry.Select Genesis 4:20
21Ary ny anaran’ ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.Select Genesis 4:21
22Ary Zila kosa niteraka an’ i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’ i Tobala-kaina dia Nama.Select Genesis 4:22
23Ary hoy Lameka tamin’ ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’ i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.Select Genesis 4:23
24Raha valiana fito heny izay mamono an’ i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’ i Lameka.Select Genesis 4:24
25Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy.Select Genesis 4:25
26Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.Select Genesis 4:26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation