Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 48

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.Select Genesis 48:1

2Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara.Select Genesis 48:2

3Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:Select Genesis 48:3

4Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.Select Genesis 48:4

5Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.Select Genesis 48:5

6Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny.Select Genesis 48:6

7Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).Select Genesis 48:7

8Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?Select Genesis 48:8

9Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.Select Genesis 48:9

10Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.Select Genesis 48:10

11Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.Select Genesis 48:11

12Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.Select Genesis 48:12

13Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy.Select Genesis 48:13

14Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.Select Genesis 48:14

15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,Select Genesis 48:15

16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.Select Genesis 48:16

17Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,Select Genesis 48:17

18ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana.Select Genesis 48:18

19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.Select Genesis 48:19

20Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase.Select Genesis 48:20

21Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.Select Genesis 48:21

22Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita.Select Genesis 48:22

Next: Genesis 49Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.