Genesis 49
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.Select Genesis 49:1
2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:Select Genesis 49:2
3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.Select Genesis 49:3
4Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!Select Genesis 49:4
5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;Select Genesis 49:5
6Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.Select Genesis 49:6
7Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.Select Genesis 49:7
8Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.Select Genesis 49:8
9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!Select Genesis 49:9
10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.Select Genesis 49:10
11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka.Select Genesis 49:11
12Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.Select Genesis 49:12
13ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona.Select Genesis 49:13
14ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ ny vala;Select Genesis 49:14
15Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.Select Genesis 49:15
16DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.Select Genesis 49:16
17Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.Select Genesis 49:17
18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!Select Genesis 49:18
19GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.Select Genesis 49:19
20ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana.Select Genesis 49:20
21NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.Select Genesis 49:21
22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.Select Genesis 49:22
23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;Select Genesis 49:23
24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,Select Genesis 49:24
25Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.Select Genesis 49:25
26Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.Select Genesis 49:26
27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.Select Genesis 49:27
28Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.Select Genesis 49:28
29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,Select Genesis 49:29
30ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.Select Genesis 49:30
31Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea,Select Genesis 49:31
32ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ ny taranak’ i Heta.Select Genesis 49:32
33Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.Select Genesis 49:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation