Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 5

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;Select Genesis 5:1

2lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy.Select Genesis 5:2

3Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.Select Genesis 5:3

4Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:4

5Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:5

6Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy.Select Genesis 5:6

7Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:7

8Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;Select Genesis 5:8

9Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy.Select Genesis 5:9

10Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;Select Genesis 5:10

11Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:11

12Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy.Select Genesis 5:12

13Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:13

14Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:14

15Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy.Select Genesis 5:15

16Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:16

17Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:17

18Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.Select Genesis 5:18

19Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:19

20Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:20

21Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy.Select Genesis 5:21

22Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:22

23Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.Select Genesis 5:23

24Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.Select Genesis 5:24

25Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy.Select Genesis 5:25

26Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:26

27Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:27

28Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;Select Genesis 5:28

29ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah.Select Genesis 5:29

30Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.Select Genesis 5:30

31Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.Select Genesis 5:31

32Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy.Select Genesis 5:32

Next: Genesis 6Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.