Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.Select Genesis 7:1

2Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;Select Genesis 7:2

3ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ ny tany rehetra ireny.Select Genesis 7:3

4Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.Select Genesis 7:4

5Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.Select Genesis 7:5

6Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.Select Genesis 7:6

7Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.Select Genesis 7:7

8Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany,Select Genesis 7:8

9dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa.Select Genesis 7:9

10Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.Select Genesis 7:10

11Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.Select Genesis 7:11

12Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.Select Genesis 7:12

13Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;Select Genesis 7:13

14dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.Select Genesis 7:14

15Dia niditra tao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin’ ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.Select Genesis 7:15

16Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.Select Genesis 7:16

17Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.Select Genesis 7:17

18Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ ny tany; dia nandeha teny ambonin’ ny rano ny sambo-fiara.Select Genesis 7:18

19Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra.Select Genesis 7:19

20Dimy ambin’ ny folo hakiho no nihoaran’ ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.Select Genesis 7:20

21Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.Select Genesis 7:21

22Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.Select Genesis 7:22

23Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.Select Genesis 7:23

24Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.Select Genesis 7:24

Next: Genesis 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.