Habakkuk 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’ i Habakoka mpaminany.Select Habakkuk 1:1
2Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.Select Habakkuk 1:2
3Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.Select Habakkuk 1:3
4Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.Select Habakkuk 1:4
5Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.Select Habakkuk 1:5
6Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.Select Habakkuk 1:6
7Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.Select Habakkuk 1:7
8Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.Select Habakkuk 1:8
9Hampidi-doza no ihavian’ izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.Select Habakkuk 1:9
10Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.Select Habakkuk 1:10
11Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!Select Habakkuk 1:11
12Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azySelect Habakkuk 1:12
13Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,Select Habakkuk 1:13
14Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?Select Habakkuk 1:14
15Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.Select Habakkuk 1:15
16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.Select Habakkuk 1:16
17Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?Select Habakkuk 1:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain