Hosea 12
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Efraima manodidina Ahy amin’ ny lainga, ary ny taranak’ Isiraely amin’ ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’ Andriamanitra, dia ny Iray Masìna sy Mahatoky.Select Hosea 12:1
2Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.Select Hosea 12:2
3Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.Select Hosea 12:3
4Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;Select Hosea 12:4
5Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;Select Hosea 12:5
6Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.Select Hosea 12:6
7Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.Select Hosea 12:7
8Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.Select Hosea 12:8
9Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.Select Hosea 12:9
10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.Select Hosea 12:10
11Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.Select Hosea 12:11
12Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.Select Hosea 12:12
13Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.Select Hosea 12:13
14Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azySelect Hosea 12:14
15Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.Select Hosea 12:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain