Isaiah 16
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Atero ny zanak’ ondrin’ ny mpanapaka ny tany, dia miala an’ i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy.Select Isaiah 16:1
2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.Select Isaiah 16:2
3Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!Select Isaiah 16:3
4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy.Select Isaiah 16:4
5Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.Select Isaiah 16:5
6Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.Select Isaiah 16:6
7Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.Select Isaiah 16:7
8Fa malazo avokoa ny sahan’ i Hesbona sy ny voalobok’ i Sibma, norantsanan’ ny andrian’ ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.Select Isaiah 16:8
9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.Select Isaiah 16:9
10Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano.Select Isaiah 16:10
11Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’ i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’ i Kira-haresa.Select Isaiah 16:11
12Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ ny fitoerany masìna mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.Select Isaiah 16:12
13Izany no tenin’ i Jehovah nataony fahiny ny amin’ i Moaba.Select Isaiah 16:13
14Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ ny telo taona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’ i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.Select Isaiah 16:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain