Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 18

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia,Select Isaiah 18:1

2Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.Select Isaiah 18:2

3Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.Select Isaiah 18:3

4Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano.Select Isaiah 18:4

5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.Select Isaiah 18:5

6Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any.Select Isaiah 18:6

7Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.Select Isaiah 18:7

Next: Isaiah 19Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.