Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 19

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.Select Isaiah 19:1

2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.Select Isaiah 19:2

3Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.Select Isaiah 19:3

4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Isaiah 19:4

5Ny rano amin’ ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;Select Isaiah 19:5

6Ho maimbo ny sampantsampan’ ny ony; Ary ny lahin-dranon’ i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;Select Isaiah 19:6

7Ny tany eny amoron’ i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’ i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.Select Isaiah 19:7

8Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano.Select Isaiah 19:8

9Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ ny fihogo sy izay manenona hariry.Select Isaiah 19:9

10Ny andrin’ ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.Select Isaiah 19:10

11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?Select Isaiah 19:11

12Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amin’ i Egypta.Select Isaiah 19:12

13Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.Select Isaiah 19:13

14Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.Select Isaiah 19:14

15Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.Select Isaiah 19:15

16Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.Select Isaiah 19:16

17Ary ny tanin’ ny Joda dia ho fahatahoran’ i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izay kasainy ny amin’ ny hamelezana azy.Select Isaiah 19:17

18Amin’ izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’ i Kanana sy hianiana ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.Select Isaiah 19:18

19Amin’ izany andro izany dia hisy alitara ho an’ i Jehovah eo amin’ ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’ i Jehovah.Select Isaiah 19:19

20Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ao amin’ ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin’ i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.Select Isaiah 19:20

21Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny.Select Isaiah 19:21

22Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.Select Isaiah 19:22

23Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.Select Isaiah 19:23

24Amin’ izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’ i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ ny tany;Select Isaiah 19:24

25Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako.Select Isaiah 19:25

Next: Isaiah 20Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.