Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 22

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Faminaniana ny amin’ ny lohasahan’ ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo,Select Isaiah 22:1

2Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ ady.Select Isaiah 22:2

3Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.Select Isaiah 22:3

4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavySelect Isaiah 22:4

5Fa ao amin’ ny lohasahan’ ny fahitana dia misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitraSelect Isaiah 22:5

6Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ ampingaSelect Isaiah 22:6

7Izay tsara indrindra amin’ ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahadySelect Isaiah 22:7

8Dia alana ny fisalobonan’ i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin’ izany andro izany.Select Isaiah 22:8

9Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan’ i Davida; Ary mamory ny rano avy amin’ ny kamory ambany ianareo.Select Isaiah 22:9

10Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.Select Isaiah 22:10

11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin’ ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.Select Isaiah 22:11

12Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.Select Isaiah 22:12

13Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’ osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.Select Isaiah 22:13

14Dia nambaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Isaiah 22:14

15Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha mankao amin’ ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’ i Sebna, lehiben’ ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:Select Isaiah 22:15

16Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin’ ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ ny harambato?Select Isaiah 22:16

17Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,Select Isaiah 22:17

18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ ny tomponao.Select Isaiah 22:18

19Ary horoahiko hiala amin’ ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin’ ny raharahanaoSelect Isaiah 22:19

20Ary amin’ izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’ i Hilkia;Select Isaiah 22:20

21Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’ i Joda izy.Select Isaiah 22:21

22Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin’ ny tranon’ i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.Select Isaiah 22:22

23Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ ny mpianakavin-drainy.Select Isaiah 22:23

24Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin’ ny lovia ka hatramin’ ny siny samy hafa rehetra.Select Isaiah 22:24

25Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.Select Isaiah 22:25

Next: Isaiah 23Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.