Isaiah 32
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.Select Isaiah 32:1
2Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.Select Isaiah 32:2
3Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.Select Isaiah 32:3
4Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.Select Isaiah 32:4
5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.Select Isaiah 32:5
6Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.Select Isaiah 32:6
7Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;Select Isaiah 32:7
8Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.Select Isaiah 32:8
9Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.Select Isaiah 32:9
10Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazoSelect Isaiah 32:10
11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.Select Isaiah 32:11
12Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.Select Isaiah 32:12
13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;Select Isaiah 32:13
14Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,Select Isaiah 32:14
15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.Select Isaiah 32:15
16Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra.Select Isaiah 32:16
17Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;Select Isaiah 32:17
18Ary ny oloko hitoetra ao amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;Select Isaiah 32:18
19Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.Select Isaiah 32:19
20Sambatra izay mamafy eny amoron’ ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.Select Isaiah 32:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain