Isaiah 33
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.Select Isaiah 33:1
2Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.Select Isaiah 33:2
3Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.Select Isaiah 33:3
4Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.Select Isaiah 33:4
5Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.Select Isaiah 33:5
6Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.Select Isaiah 33:6
7Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.Select Isaiah 33:7
8Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.Select Isaiah 33:8
9Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.Select Isaiah 33:9
10Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.Select Isaiah 33:10
11Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.Select Isaiah 33:11
12Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.Select Isaiah 33:12
13Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.Select Isaiah 33:13
14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?Select Isaiah 33:14
15Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;Select Isaiah 33:15
16Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.Select Isaiah 33:16
17Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.Select Isaiah 33:17
18Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?Select Isaiah 33:18
19Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.Select Isaiah 33:19
20Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.Select Isaiah 33:20
21Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.Select Isaiah 33:21
22Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.Select Isaiah 33:22
23Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.Select Isaiah 33:23
24Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.Select Isaiah 33:24
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain