Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 4

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary amin’ izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ ny anaranao izahay, Ka afaho tondromasoSelect Isaiah 4:1

2Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ ny Isiraely sisa afaka;Select Isaiah 4:2

3Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masìna. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ ny velona any Jerosalema.Select Isaiah 4:3

4Rehefa voasasan’ ny Tompo ho afaka amin’ ny fahalotoany ireo zanakavavin’ i Ziona, Ary rehefa voadion’ ny fanahy fitsarana, sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin’ ny ran’ olona nalatsany.Select Isaiah 4:4

5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloeloSelect Isaiah 4:5

6Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.Select Isaiah 4:6

Next: Isaiah 5Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.