Isaiah 48
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;Select Isaiah 48:1
2Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.Select Isaiah 48:2
3Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.Select Isaiah 48:3
4Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,Select Isaiah 48:4
5Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.Select Isaiah 48:5
6Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.Select Isaiah 48:6
7Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.Select Isaiah 48:7
8Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.Select Isaiah 48:8
9Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.Select Isaiah 48:9
10Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.Select Isaiah 48:10
11Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.Select Isaiah 48:11
12Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.Select Isaiah 48:12
13Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.Select Isaiah 48:13
14Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana.Select Isaiah 48:14
15Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.Select Isaiah 48:15
16Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.Select Isaiah 48:16
17Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.Select Isaiah 48:17
18Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,Select Isaiah 48:18
19Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.Select Isaiah 48:19
20Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.Select Isaiah 48:20
21Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.Select Isaiah 48:21
22Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.Select Isaiah 48:22
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain