Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 6

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’ akanjony nahafeno ny tempoly.Select Isaiah 6:1

2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.Select Isaiah 6:2

3Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.Select Isaiah 6:3

4Dia nihorohoro ny fanambanin’ ny tokonana noho ny feon’ ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.Select Isaiah 6:4

5Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.Select Isaiah 6:5

6Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’ afo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ ny ny tandra avy teo amin’ ny alitara.Select Isaiah 6:6

7Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.Select Isaiah 6:7

8Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.Select Isaiah 6:8

9Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.Select Isaiah 6:9

10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.Select Isaiah 6:10

11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;Select Isaiah 6:11

12Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin’ ny tany;Select Isaiah 6:12

13Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.Select Isaiah 6:13

Next: Isaiah 7Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.