Skip to content
Church.wiki
Isaiah

Isaiah 7

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.Select Isaiah 7:1

2Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.Select Isaiah 7:2

3Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,Select Isaiah 7:3

4ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.Select Isaiah 7:4

5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:Select Isaiah 7:5

6Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,Select Isaiah 7:6

7Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;Select Isaiah 7:7

8Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),Select Isaiah 7:8

9Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.Select Isaiah 7:9

10Ary Jehovah mbola niteny tamin’ i Ahaza ihany ka nanao hoe:Select Isaiah 7:10

11Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony.Select Isaiah 7:11

12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i JehovahSelect Isaiah 7:12

13Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?Select Isaiah 7:13

14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.Select Isaiah 7:14

15Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.Select Isaiah 7:15

16Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.Select Isaiah 7:16

17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);Select Isaiah 7:17

18Ary amin’ izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ ny faran’ ny onin’ i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ ny tany Asyria;Select Isaiah 7:18

19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.Select Isaiah 7:19

20Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.Select Isaiah 7:20

21Ary amin’ izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;Select Isaiah 7:21

22Ary noho ny haben’ ny ronono azo avy amin’ ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ ny olona sisa rehetra ao amin’ ny tany.Select Isaiah 7:22

23Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.Select Isaiah 7:23

24Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’ izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Select Isaiah 7:24

25Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’ osy izany.Select Isaiah 7:25

Next: Isaiah 8Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Isaiah

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.