Skip to content
Church.wiki
James

James 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.Select James 1:1

2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,Select James 1:2

3satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Select James 1:3

4Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.Select James 1:4

5Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.Select James 1:5

6Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.Select James 1:6

7Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:Select James 1:7

8olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.Select James 1:8

9Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;Select James 1:9

10fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.Select James 1:10

11Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.Select James 1:11

12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.Select James 1:12

13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;Select James 1:13

14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.Select James 1:14

15Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.Select James 1:15

16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.Select James 1:16

17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.Select James 1:17

18Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.Select James 1:18

19Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;Select James 1:19

20fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.Select James 1:20

21Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.Select James 1:21

22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.Select James 1:22

23Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;Select James 1:23

24fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.Select James 1:24

25Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.Select James 1:25

26Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.Select James 1:26

27Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.Select James 1:27

Next: James 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

James

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.