Skip to content
Church.wiki
James

James 2

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’ olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ ny voninahitra.Select James 2:1

2Fa raha misy olona miditra eo amin’ ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,Select James 2:2

3koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ ny fitoeran-tongotro,―Select James 2:3

4moa tsy miangatra va ianareo amin’ izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?Select James 2:4

5Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?Select James 2:5

6Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana?Select James 2:6

7Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo?Select James 2:7

8Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo.Select James 2:8

9Fa raha mizaha tavan’ olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ ny lalàna ho mpanota.Select James 2:9

10Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra.Select James 2:10

11Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.Select James 2:11

12Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana.Select James 2:12

13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.Select James 2:13

14Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?Select James 2:14

15Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’ andro,Select James 2:15

16ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany?Select James 2:16

17Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.Select James 2:17

18Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako.Select James 2:18

19Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,― ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.Select James 2:19

20Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?Select James 2:20

21Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ isaka zanany teo ambonin’ ny alitara?Select James 2:21

22Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa;Select James 2:22

23ary tanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: “Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe “Sakaizan’ Andriamanitra” izy.Select James 2:23

24Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.Select James 2:24

25Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa?Select James 2:25

26Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.Select James 2:26

Next: James 3Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

James

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.