Skip to content
Church.wiki
James

James 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo?Select James 4:1

2Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.Select James 4:2

3Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo.Select James 4:3

4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.Select James 4:4

5Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro.Select James 4:5

6Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.Select James 4:6

7Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.Select James 4:7

8Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.Select James 4:8

9Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.Select James 4:9

10Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.Select James 4:10

11Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.Select James 4:11

12Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?Select James 4:12

13He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,Select James 4:13

14kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.Select James 4:14

15Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.Select James 4:15

16Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.Select James 4:16

17Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.Select James 4:17

Next: James 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

James

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.