Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:Select Jeremiah 11:1

2Mihainoa ny tenin’ izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema,Select Jeremiah 11:2

3Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’ izao fanekena izao,Select Jeremiah 11:3

4Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,Select Jeremiah 11:4

5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!Select Jeremiah 11:5

6Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin’ izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.Select Jeremiah 11:6

7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.Select Jeremiah 11:7

8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’ izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.Select Jeremiah 11:8

9Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema.Select Jeremiah 11:9

10Fa izy niverina nankamin’ ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ ny razany.Select Jeremiah 11:10

11Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.Select Jeremiah 11:11

12Dia handeha ny tanànan’ ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin’ ny andro fahoriany.Select Jeremiah 11:12

13Fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao, Ary araka ny isan’ ny lalamben’ i Jerosalema no isan’ ny alitara naorinareo ho an’ ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.Select Jeremiah 11:13

14Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin’ ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.Select Jeremiah 11:14

15Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ ny maro izy, ary ny hena masìna dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary!Select Jeremiah 11:15

16Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon’ i Jehovah anaranao; Tamin’ ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.Select Jeremiah 11:16

17Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin’ ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.Select Jeremiah 11:17

18Ary nampahafantarin’ i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin’ izany dia nasehonao ahy ny fanaony.Select Jeremiah 11:18

19Fa izaho dia tahaka ny zanak’ ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ ny tanin’ ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.Select Jeremiah 11:19

20Nefa, ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.Select Jeremiah 11:20

21Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ ny anaran’ i Jehovah, fandrao matin’ ny tananay ianao,Select Jeremiah 11:21

22izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;Select Jeremiah 11:22

23Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin’ ny mponina ao Anatota Aho amin’ ny taona hamaliana azy.Select Jeremiah 11:23

Next: Jeremiah 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.