Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 12

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?Select Jeremiah 12:1

2Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin’ ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin’ ny fony.Select Jeremiah 12:2

3Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ ny andro hamonoana.Select Jeremiah 12:3

4Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.Select Jeremiah 12:4

5Raha niara-nihazakazaka tamin’ ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana?Select Jeremiah 12:5

6Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.Select Jeremiah 12:6

7Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin’ aiko dia natolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony.Select Jeremiah 12:7

8Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an’ ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.Select Jeremiah 12:8

9Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.Select Jeremiah 12:9

10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;Select Jeremiah 12:10

11Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.Select Jeremiah 12:11

12Ny mpandrava dia tonga any amin’ ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr’ i Jehovah mandringana amin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an’ ny nofo rehetra.Select Jeremiah 12:12

13Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin’ ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.Select Jeremiah 12:13

14Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ ny taniny ireo, ary ny taranak’ i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.Select Jeremiah 12:14

15Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin’ ny lovany sy ny taniny avy indray izy.Select Jeremiah 12:15

16Koa raha mba hianatra ny fanaon’ ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin’ ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran’ ireo ny oloko hianiana amin’ i Bala, dia haorina ao amin’ ny oloko izy;Select Jeremiah 12:16

17Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.Select Jeremiah 12:17

Next: Jeremiah 13Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.