Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 14

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny mosary.Select Jeremiah 14:1

2Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin’ ny tany; Ary miakatra ny fitarainan’ i Jerosalema.Select Jeremiah 14:2

3Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin’ ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.Select Jeremiah 14:3

4Noho ny fangentan’ ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.Select Jeremiah 14:4

5Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian’ ny ahi-maitso.Select Jeremiah 14:5

6Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian’ ny ahitra.Select Jeremiah 14:6

7Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.Select Jeremiah 14:7

8Ry Fanantenan’ ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin’ ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin’ ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?Select Jeremiah 14:8

9Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.Select Jeremiah 14:9

10Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak’ i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.Select Jeremiah 14:10

11Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an’ ity firenena ity hahasoa azy.Select Jeremiah 14:11

12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.Select Jeremiah 14:12

13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ ity tany ity ianareo.Select Jeremiah 14:13

14Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.Select Jeremiah 14:14

15Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.Select Jeremiah 14:15

16Ary ny firenena izay aminanian’ ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben’ i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.Select Jeremiah 14:16

17Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman’ alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin’ ny kapoka maharary indrindra.Select Jeremiah 14:17

18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan’ ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ ny tany tsy fantany.Select Jeremiah 14:18

19Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.Select Jeremiah 14:19

20Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.Select Jeremiah 14:20

21Noho ny amin’ ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan’ ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.Select Jeremiah 14:21

22Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.Select Jeremiah 14:22

Next: Jeremiah 15Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.