Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 16:1

2Aza manam-bady ianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin’ ity tany ity.Select Jeremiah 16:2

3Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin’ ity tany ity sy ny amin’ ny reniny izay niteraka azy ary ny amin’ ny rainy izay niteraka azy amin’ ity tany ity koa:Select Jeremiah 16:3

4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.Select Jeremiah 16:4

5Fa izao no lazain’ i Jehovah: Aza miditra amin’ ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin’ ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.Select Jeremiah 16:5

6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan’ ny sasany tena, na hiboriany;Select Jeremiah 16:6

7Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin’ ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin’ ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin’ ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;Select Jeremiah 16:7

8Ary aza miditra ao amin’ ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.Select Jeremiah 16:8

9Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ ity tany ity eo imasonareo sy amin’ ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina.Select Jeremiah 16:9

10Ary raha ambaranao amin’ ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin’ i Jehovah Andriamanitray?Select Jeremiah 16:10

11dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.Select Jeremiah 16:11

12Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;Select Jeremiah 16:12

13Ka dia horoahiko hiala amin’ ity tany ity ianareo ho any amin’ ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’ alina, satria tsy hamindra fo aminareo Aho.Select Jeremiah 16:13

14Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;Select Jeremiah 16:14

15Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin’ ny tany izay nomeko ny razany izy.Select Jeremiah 16:15

16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.Select Jeremiah 16:16

17Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin’ ny tavako izany, ary tsy takona amin’ ny masoko ny helony.Select Jeremiah 16:17

18Alohan’ izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ ireo fatin’ ny sampiny sy fahavetavetany ireo.Select Jeremiah 16:18

19Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin’ ny faran’ ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan’ ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.Select Jeremiah 16:19

20Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.Select Jeremiah 16:20

21Koa, indro, hampahafantariko azy amin’ izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.Select Jeremiah 16:21

Next: Jeremiah 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.