Jeremiah 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.Select Jeremiah 24:1
2Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.Select Jeremiah 24:2
3Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.Select Jeremiah 24:3
4Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Jeremiah 24:4
5Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ ity tany ity ho any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.Select Jeremiah 24:5
6Fa hojeren’ ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.Select Jeremiah 24:6
7Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ ny fony rehetra izy.Select Jeremiah 24:7
8Ary ny amin’ ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’ i Jehovah: Toy izany no hanolorako an’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ ny tany Egypta,Select Jeremiah 24:8
9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.Select Jeremiah 24:9
10Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.Select Jeremiah 24:10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation