Jeremiah 30
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:Select Jeremiah 30:1
2Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.Select Jeremiah 30:2
3Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.Select Jeremiah 30:3
4Ary izao no teny izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda,Select Jeremiah 30:4
5eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.Select Jeremiah 30:5
6Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?Select Jeremiah 30:6
7Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy.Select Jeremiah 30:7
8Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;Select Jeremiah 30:8
9Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.Select Jeremiah 30:9
10Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Select Jeremiah 30:10
11Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.Select Jeremiah 30:11
12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.Select Jeremiah 30:12
13Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ ny ferinao ianao.Select Jeremiah 30:13
14Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao.Select Jeremiah 30:14
15Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao.Select Jeremiah 30:15
16Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.Select Jeremiah 30:16
17Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.Select Jeremiah 30:17
18Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.Select Jeremiah 30:18
19Ary hisy fisaorana sy feon’ ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.Select Jeremiah 30:19
20Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.Select Jeremiah 30:20
21Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.Select Jeremiah 30:21
22Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.Select Jeremiah 30:22
23He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.Select Jeremiah 30:23
24Ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.Select Jeremiah 30:24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation