Jeremiah 31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.Select Jeremiah 31:1
2Izao no lazain’ i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely.Select Jeremiah 31:2
3Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.Select Jeremiah 31:3
4Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ ny dihin’ ny mifaly.Select Jeremiah 31:4
5Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.Select Jeremiah 31:5
6Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.Select Jeremiah 31:6
7Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.Select Jeremiah 31:7
8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.Select Jeremiah 31:8
9Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.Select Jeremiah 31:9
10Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.Select Jeremiah 31:10
11Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.Select Jeremiah 31:11
12Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.Select Jeremiah 31:12
13Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.Select Jeremiah 31:13
14Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.Select Jeremiah 31:14
15Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.Select Jeremiah 31:15
16Izao no lazain’ i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireny.Select Jeremiah 31:16
17Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ ny taniny indray.Select Jeremiah 31:17
18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.Select Jeremiah 31:18
19Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain’ ny tsinin’ ny fahatanorako.Select Jeremiah 31:19
20Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.Select Jeremiah 31:20
21Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ ireto tanànanao ireto.Select Jeremiah 31:21
22Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.Select Jeremiah 31:22
23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ao amin’ ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!Select Jeremiah 31:23
24Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ ny ondry aman’ osiny.Select Jeremiah 31:24
25Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.Select Jeremiah 31:25
26Ary tamin’ izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.Select Jeremiah 31:26
27Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.Select Jeremiah 31:27
28Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.Select Jeremiah 31:28
29Amin’ izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo.Select Jeremiah 31:29
30Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.Select Jeremiah 31:30
31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,Select Jeremiah 31:31
32Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.Select Jeremiah 31:32
33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.Select Jeremiah 31:33
34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.Select Jeremiah 31:34
35Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany:Select Jeremiah 31:35
36Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’ Isiraely.Select Jeremiah 31:36
37Izao no lazain’ i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.Select Jeremiah 31:37
38Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.Select Jeremiah 31:38
39Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;Select Jeremiah 31:39
40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.Select Jeremiah 31:40
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation