Jeremiah 33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tonga fanindroany tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:Select Jeremiah 33:1
2Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;Select Jeremiah 33:2
3Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.Select Jeremiah 33:3
4Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ ny trano amin’ ity tanàna ity sy ny amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,Select Jeremiah 33:4
5Raha mandroso hiady amin’ ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin’ ny fatin’ olona, izay novonoiko tamin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:Select Jeremiah 33:5
6Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ ny fiadanana sy ny fahamarinana.Select Jeremiah 33:6
7Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.Select Jeremiah 33:7
8Ary hodioviko ho afaka amin’ ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.Select Jeremiah 33:8
9Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.Select Jeremiah 33:9
10Izao no lazain’ i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ao amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompySelect Jeremiah 33:10
11Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina ary ny feon’ izay manao hoe: Miderà an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.Select Jeremiah 33:11
12Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,Select Jeremiah 33:12
13Dia amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin’ ny tanana any amin’ ny tany atsimo sy amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema ary amin’ ny tanànan’ ny Joda, ary ny ondry aman’ osy mbola handroso araka ny fitondran’ ny mpanisa azy, hoy Jehovah.Select Jeremiah 33:13
14Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ ny aranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda.Select Jeremiah 33:14
15Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an’ i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany Izy.Select Jeremiah 33:15
16Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.Select Jeremiah 33:16
17Fa izao no lazain’ i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny taranak’ Isiraely;Select Jeremiah 33:17
18Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.Select Jeremiah 33:18
19Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Jeremiah 33:19
20Izao no lazain’ i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ ny andro sy ny fanekeko ny amin’ ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin’ ny fotoany,Select Jeremiah 33:20
21Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’ i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ ny seza fiandrianany, sy ny amin’ ny Levita mpisorona, mpanompoko.Select Jeremiah 33:21
22Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.Select Jeremiah 33:22
23Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Jeremiah 33:23
24Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.Select Jeremiah 33:24
25Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy amin’ ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,Select Jeremiah 33:25
26Dia hariako ny taranak’ i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin’ ny fahababoana izy ka hamindrako fo.Select Jeremiah 33:26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation