Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 43

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,Select Jeremiah 43:1

2dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;Select Jeremiah 43:2

3fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.Select Jeremiah 43:3

4Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda.Select Jeremiah 43:4

5Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,Select Jeremiah 43:5

6dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i NeriaSelect Jeremiah 43:6

7ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.Select Jeremiah 43:7

8Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 43:8

9Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,Select Jeremiah 43:9

10ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.Select Jeremiah 43:10

11Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.Select Jeremiah 43:11

12Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.Select Jeremiah 43:12

13Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ ny tany Egypta; ary hodorany amin’ ny afo ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta.Select Jeremiah 43:13

Next: Jeremiah 44Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.