Jeremiah 47
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.Select Jeremiah 47:1
2Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.Select Jeremiah 47:2
3Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,Select Jeremiah 47:3
4Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.Select Jeremiah 47:4
5Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin’ ny sisa amin’ ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?Select Jeremiah 47:5
6Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.Select Jeremiah 47:6
7Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an’ i Askelona mbamin’ ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.Select Jeremiah 47:7
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation