Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 51

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.Select Jeremiah 51:1

2Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.Select Jeremiah 51:2

3Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,Select Jeremiah 51:3

4Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.Select Jeremiah 51:4

5Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.Select Jeremiah 51:5

6Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.Select Jeremiah 51:6

7Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.Select Jeremiah 51:7

8Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.Select Jeremiah 51:8

9Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.Select Jeremiah 51:9

10Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.Select Jeremiah 51:10

11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.Select Jeremiah 51:11

12Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.Select Jeremiah 51:12

13Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.Select Jeremiah 51:13

14Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,Select Jeremiah 51:14

15Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.Select Jeremiah 51:15

16Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.Select Jeremiah 51:16

17Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.Select Jeremiah 51:17

18Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.Select Jeremiah 51:18

19Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.Select Jeremiah 51:19

20Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,Select Jeremiah 51:20

21Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;Select Jeremiah 51:21

22Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;Select Jeremiah 51:22

23Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.Select Jeremiah 51:23

24Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.Select Jeremiah 51:24

25Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.Select Jeremiah 51:25

26Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.Select Jeremiah 51:26

27Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.Select Jeremiah 51:27

28Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.Select Jeremiah 51:28

29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.Select Jeremiah 51:29

30Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.Select Jeremiah 51:30

31Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ ny mpanjakan’ i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.Select Jeremiah 51:31

32Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.Select Jeremiah 51:32

33Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.Select Jeremiah 51:33

34Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.Select Jeremiah 51:34

35Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!Select Jeremiah 51:35

36Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.Select Jeremiah 51:36

37Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.Select Jeremiah 51:37

38Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.Select Jeremiah 51:38

39Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.Select Jeremiah 51:39

40Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.Select Jeremiah 51:40

41Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.Select Jeremiah 51:41

42Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.Select Jeremiah 51:42

43Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.Select Jeremiah 51:43

44Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.Select Jeremiah 51:44

45Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.Select Jeremiah 51:45

46Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.Select Jeremiah 51:46

47koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.Select Jeremiah 51:47

48Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.Select Jeremiah 51:48

49Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.Select Jeremiah 51:49

50Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.Select Jeremiah 51:50

51Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ ny fitoerana masìna amin’ ny tranon’ i Jehovah.Select Jeremiah 51:51

52Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.Select Jeremiah 51:52

53Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;Select Jeremiah 51:53

54Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!Select Jeremiah 51:54

55Fa Jehovah no mandrava an’ i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.Select Jeremiah 51:55

56Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.Select Jeremiah 51:56

57Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.Select Jeremiah 51:57

58Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.Select Jeremiah 51:58

59Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben’ ny mpanorin-dasy.Select Jeremiah 51:59

60Ary nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’ i Babylona.Select Jeremiah 51:60

61Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,Select Jeremiah 51:61

62ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.Select Jeremiah 51:62

63Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.Select Jeremiah 51:63

64ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.Select Jeremiah 51:64

Next: Jeremiah 52Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.