Job 11
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:Select Job 11:1
2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?Select Job 11:2
3Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,Select Job 11:3
4Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.Select Job 11:4
5Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!Select Job 11:5
6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.Select Job 11:6
7Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny TsitohaSelect Job 11:7
8Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao?Select Job 11:8
9Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.Select Job 11:9
10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?Select Job 11:10
11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.Select Job 11:11
12Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.Select Job 11:12
13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,Select Job 11:13
14Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;Select Job 11:14
15Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;Select Job 11:15
16Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.Select Job 11:16
17Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.Select Job 11:17
18Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy.Select Job 11:18
19Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.Select Job 11:19
20Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.Select Job 11:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain