Skip to content
Church.wiki
Job

Job 12

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 12:1

2Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!Select Job 12:2

3Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?Select Job 12:3

4Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.Select Job 12:4

5Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa.Select Job 12:5

6Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaninySelect Job 12:6

7Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;Select Job 12:7

8Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.Select Job 12:8

9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,Select Job 12:9

10Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra?Select Job 12:10

11Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?Select Job 12:11

12Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.Select Job 12:12

13Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.Select Job 12:13

14Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.Select Job 12:14

15Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.Select Job 12:15

16Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.Select Job 12:16

17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.Select Job 12:17

18Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.Select Job 12:18

19Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.Select Job 12:19

20Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny.Select Job 12:20

21Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka.Select Job 12:21

22Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava.Select Job 12:22

23Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.Select Job 12:23

24Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;Select Job 12:24

25Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.Select Job 12:25

Next: Job 13Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.