Skip to content
Church.wiki
Job

Job 14

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.Select Job 14:1

2Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.Select Job 14:2

3kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!Select Job 14:3

4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.Select Job 14:4

5Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,Select Job 14:5

6Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.Select Job 14:6

7Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;Select Job 14:7

8Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,Select Job 14:8

9Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.Select Job 14:9

10Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?Select Job 14:10

11Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,Select Job 14:11

12Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.Select Job 14:12

13Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahySelect Job 14:13

14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.Select Job 14:14

15Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.Select Job 14:15

16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?Select Job 14:16

17Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.Select Job 14:17

18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;Select Job 14:18

19Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.Select Job 14:19

20Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.Select Job 14:20

21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.Select Job 14:21

22Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.Select Job 14:22

Next: Job 15Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.