Job 15
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:Select Job 15:1
2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,Select Job 15:2
3Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?Select Job 15:3
4Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;Select Job 15:4
5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao.Select Job 15:5
6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.Select Job 15:6
7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao?Select Job 15:7
8Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?Select Job 15:8
9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?Select Job 15:9
10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.Select Job 15:10
11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy?Select Job 15:11
12Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,Select Job 15:12
13Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?Select Job 15:13
14Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?Select Job 15:14
15Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;Select Job 15:15
16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!Select Job 15:16
17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,Select Job 15:17
18Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany;Select Job 15:18
19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.Select Job 15:19
20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe.Select Job 15:20
21Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.Select Job 15:21
22Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.Select Job 15:22
23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.Select Job 15:23
24Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady,Select Job 15:24
25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.Select Job 15:25
26Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina,Select Job 15:26
27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;Select Job 15:27
28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.Select Job 15:28
29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany.Select Job 15:29
30Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.Select Job 15:30
31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.Select Job 15:31
32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.Select Job 15:32
33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.Select Job 15:33
34Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka.Select Job 15:34
35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.Select Job 15:35
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain