Job 18
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:Select Job 18:1
2Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.Select Job 18:2
3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?Select Job 18:3
4Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?Select Job 18:4
5Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;Select Job 18:5
6Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.Select Job 18:6
7Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.Select Job 18:7
8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;Select Job 18:8
9Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavaranaSelect Job 18:9
10Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.Select Job 18:10
11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.Select Job 18:11
12Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;Select Job 18:12
13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.Select Job 18:13
14Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.Select Job 18:14
15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.Select Job 18:15
16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.Select Job 18:16
17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.Select Job 18:17
18Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.Select Job 18:18
19Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.Select Job 18:19
20Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.Select Job 18:20
21Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.Select Job 18:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain