Job 22
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:Select Job 22:1
2Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.Select Job 22:2
3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?Select Job 22:3
4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?Select Job 22:4
5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?Select Job 22:5
6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.Select Job 22:6
7Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.Select Job 22:7
8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.Select Job 22:8
9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.Select Job 22:9
10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;Select Job 22:10
11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?Select Job 22:11
12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!Select Job 22:12
13Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?Select Job 22:13
14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.Select Job 22:14
15Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.Select Job 22:15
16Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,Select Job 22:16
17Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?Select Job 22:17
18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!Select Job 22:18
19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:Select Job 22:19
20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.Select Job 22:20
21Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.Select Job 22:21
22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.Select Job 22:22
23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.Select Job 22:23
24Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;Select Job 22:24
25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.Select Job 22:25
26Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.Select Job 22:26
27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.Select Job 22:27
28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.Select Job 22:28
29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.Select Job 22:29
30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.Select Job 22:30
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain