Job 26
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 26:1
2Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!Select Job 26:2
3Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!Select Job 26:3
4Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?Select Job 26:4
5Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.Select Job 26:5
6Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.Select Job 26:6
7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.Select Job 26:7
8Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.Select Job 26:8
9Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.Select Job 26:9
10Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.Select Job 26:10
11Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.Select Job 26:11
12Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;Select Job 26:12
13Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.Select Job 26:13
14Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?Select Job 26:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain