Job 28
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.Select Job 28:1
2Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.Select Job 28:2
3Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;Select Job 28:3
4Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.Select Job 28:4
5Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.Select Job 28:5
6Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminySelect Job 28:6
7Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,Select Job 28:7
8Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.Select Job 28:8
9Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;Select Job 28:9
10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.Select Job 28:10
11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.Select Job 28:11
12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?Select Job 28:12
13Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.Select Job 28:13
14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.Select Job 28:14
15Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;Select Job 28:15
16Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.Select Job 28:16
17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.Select Job 28:17
18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.Select Job 28:18
19Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsaraSelect Job 28:19
20Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?Select Job 28:20
21Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.Select Job 28:21
22Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.Select Job 28:22
23Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;Select Job 28:23
24Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,Select Job 28:24
25Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.Select Job 28:25
26Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,Select Job 28:26
27Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;Select Job 28:27
28Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.Select Job 28:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain