Skip to content
Church.wiki
Job

Job 29

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:Select Job 29:1

2Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!Select Job 29:2

3Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;Select Job 29:3

4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;Select Job 29:4

5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;Select Job 29:5

6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;Select Job 29:6

7Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,Select Job 29:7

8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;Select Job 29:8

9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;Select Job 29:9

10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.Select Job 29:10

11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,Select Job 29:11

12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.Select Job 29:12

13Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.Select Job 29:13

14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.Select Job 29:14

15Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.Select Job 29:15

16Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.Select Job 29:16

17Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavanySelect Job 29:17

18Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.Select Job 29:18

19Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.Select Job 29:19

20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.Select Job 29:20

21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.Select Job 29:21

22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.Select Job 29:22

23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.Select Job 29:23

24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.Select Job 29:24

25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.Select Job 29:25

Next: Job 30Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.