Skip to content
Church.wiki
Job

Job 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny andronySelect Job 3:1

2nanao hoe:Select Job 3:2

3Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!Select Job 3:3

4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;Select Job 3:4

5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.Select Job 3:5

6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana;Select Job 3:6

7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;Select Job 3:7

8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;Select Job 3:8

9Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy,Select Job 3:9

10Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko.Select Job 3:10

11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?Select Job 3:11

12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?Select Job 3:12

13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,Select Job 3:13

14Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,Select Job 3:14

15Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;Select Job 3:15

16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.Select Job 3:16

17Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;Select Job 3:17

18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy.Select Job 3:18

19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony.Select Job 3:19

20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana?Select Job 3:20

21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:Select Job 3:21

22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,Select Job 3:22

23Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina.Select Job 3:23

24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;Select Job 3:24

25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.Select Job 3:25

26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.Select Job 3:26

Next: Job 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.