Job 38
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:Select Job 38:1
2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?Select Job 38:2
3Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:Select Job 38:3
4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.Select Job 38:4
5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?Select Job 38:5
6Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,Select Job 38:6
7Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?Select Job 38:7
8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,Select Job 38:8
9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,Select Job 38:9
10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavaranaSelect Job 38:10
11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?Select Job 38:11
12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,Select Job 38:12
13Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?Select Job 38:13
14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,Select Job 38:14
15Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.Select Job 38:15
16Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?Select Job 38:16
17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?Select Job 38:17
18Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.Select Job 38:18
19Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?Select Job 38:19
20Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.Select Job 38:20
21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!Select Job 38:21
22Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,Select Job 38:22
23Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?Select Job 38:23
24Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?Select Job 38:24
25Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,Select Job 38:25
26Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,Select Job 38:26
27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?Select Job 38:27
28Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?Select Job 38:28
29Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?Select Job 38:29
30Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.Select Job 38:30
31Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?Select Job 38:31
32Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?Select Job 38:32
33Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?Select Job 38:33
34Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?Select Job 38:34
35Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?Select Job 38:35
36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?Select Job 38:36
37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,Select Job 38:37
38Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?Select Job 38:38
39Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,Select Job 38:39
40Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?Select Job 38:40
41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?Select Job 38:41
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain