Job 39
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?Select Job 39:1
2Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?Select Job 39:2
3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.Select Job 39:3
4Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.Select Job 39:4
5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,Select Job 39:5
6Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?Select Job 39:6
7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;Select Job 39:7
8Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.Select Job 39:8
9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?Select Job 39:9
10Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?Select Job 39:10
11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?Select Job 39:11
12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?Select Job 39:12
13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?Select Job 39:13
14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,Select Job 39:14
15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.Select Job 39:15
16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;Select Job 39:16
17Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.Select Job 39:17
18Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.Select Job 39:18
19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?Select Job 39:19
20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!Select Job 39:20
21Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.Select Job 39:21
22Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.Select Job 39:22
23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.Select Job 39:23
24Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.Select Job 39:24
25Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.Select Job 39:25
26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?Select Job 39:26
27Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?Select Job 39:27
28Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.Select Job 39:28
29Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.Select Job 39:29
30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.Select Job 39:30
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain