Job 41
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?Select Job 41:1
2Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?Select Job 41:2
3Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.Select Job 41:3
4Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.Select Job 41:4
5Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?Select Job 41:5
6Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!Select Job 41:6
7Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;Select Job 41:7
8Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.Select Job 41:8
9Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,Select Job 41:9
10Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.Select Job 41:10
11Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.Select Job 41:11
12Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.Select Job 41:12
13Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.Select Job 41:13
14Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.Select Job 41:14
15Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.Select Job 41:15
16Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.Select Job 41:16
17Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.Select Job 41:17
18Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.Select Job 41:18
19Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.Select Job 41:19
20Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.Select Job 41:20
21Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.Select Job 41:21
22Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.Select Job 41:22
23Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.Select Job 41:23
24Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.Select Job 41:24
25Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.Select Job 41:25
26Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izySelect Job 41:26
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain