Job 7
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?Select Job 7:1
2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,Select Job 7:2
3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.Select Job 7:3
4Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.Select Job 7:4
5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.Select Job 7:5
6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.Select Job 7:6
7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.Select Job 7:7
8Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.Select Job 7:8
9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;Select Job 7:9
10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.Select Job 7:10
11Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.Select Job 7:11
12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?Select Job 7:12
13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.Select Job 7:13
14Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;Select Job 7:14
15Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;Select Job 7:15
16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.Select Job 7:16
17Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,Select Job 7:17
18Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?Select Job 7:18
19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?Select Job 7:19
20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?Select Job 7:20
21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.Select Job 7:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain