Job 9
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 9:1
2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?Select Job 9:2
3Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.Select Job 9:3
4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?Select Job 9:4
5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,Select Job 9:5
6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;Select Job 9:6
7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;Select Job 9:7
8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;Select Job 9:8
9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,Select Job 9:9
10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.Select Job 9:10
11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.Select Job 9:11
12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?Select Job 9:12
13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.Select Job 9:13
14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;Select Job 9:14
15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.Select Job 9:15
16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.Select Job 9:16
17Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.Select Job 9:17
18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.Select Job 9:18
19Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?Select Job 9:19
20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.Select Job 9:20
21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.Select Job 9:21
22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.Select Job 9:22
23Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.Select Job 9:23
24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?Select Job 9:24
25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.Select Job 9:25
26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.Select Job 9:26
27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,Select Job 9:27
28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.Select Job 9:28
29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?Select Job 9:29
30Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,Select Job 9:30
31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.Select Job 9:31
32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.Select Job 9:32
33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.Select Job 9:33
34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,Select Job 9:34
35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.Select Job 9:35
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain