Skip to content
Church.wiki
John

John 10

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.Select John 10:1

2Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.Select John 10:2

3Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka.Select John 10:3

4Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.Select John 10:4

5Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.Select John 10:5

6Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.Select John 10:6

7Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.Select John 10:7

8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.Select John 10:8

9Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.Select John 10:9

10Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.Select John 10:10

11Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Select John 10:11

12Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;Select John 10:12

13mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.Select John 10:13

14Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,Select John 10:14

15dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.Select John 10:15

16Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.Select John 10:16

17Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.Select John 10:17

18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.Select John 10:18

19Ary nisy fisarahana indray tao amin’ ny Jiosy noho izany teny izany.Select John 10:19

20Ary maro tamin’ ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?Select John 10:20

21Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin’ ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ ny jamba?Select John 10:21

22Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.Select John 10:22

23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.Select John 10:23

24Dia nitangoronan’ ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.Select John 10:24

25Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ ny anaran’ ny Raiko no manambara Ahy.Select John 10:25

26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ ny ondriko.Select John 10:26

27Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,Select John 10:27

28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako.Select John 10:28

29Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ ny tanan’ ny Ray.Select John 10:29

30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.Select John 10:30

31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.Select John 10:31

32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?Select John 10:32

33Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.Select John 10:33

34Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?.Select John 10:34

35Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masìna tsy azo foanana),Select John 10:35

36moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho?Select John 10:36

37Raha tsy manao ny asan’ ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.Select John 10:37

38Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ ny Ray.Select John 10:38

39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.Select John 10:39

40Dia lasa nankany an-dafin’ i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ ilay tany nanaovan’ i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.Select John 10:40

41Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa.Select John 10:41

42Ary maro no nino Azy teo.Select John 10:42

Next: John 11Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.