Skip to content
Church.wiki
John

John 17

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.Select John 17:1

2araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy.Select John 17:2

3Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.Select John 17:3

4Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.Select John 17:4

5Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.Select John 17:5

6Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.Select John 17:6

7Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.Select John 17:7

8Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.Select John 17:8

9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.Select John 17:9

10Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.Select John 17:10

11Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masìna ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.Select John 17:11

12Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna.Select John 17:12

13Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.Select John 17:13

14Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’ izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.Select John 17:14

15Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy.Select John 17:15

16Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.Select John 17:16

17Manamasìna azy amin’ ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.Select John 17:17

18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’ izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’ izao tontolo izao.Select John 17:18

19Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.Select John 17:19

20Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;Select John 17:20

21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.Select John 17:21

22Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:Select John 17:22

23Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.Select John 17:23

24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.Select John 17:24

25Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.Select John 17:25

26Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.Select John 17:26

Next: John 18Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.